Ambohimanambola : Efa misy ny fandaharan-dalao ho an’ny faran’ny herinandro
Hisy ny lalao baolina kitra goavana « coupe omby » izay atao amin’ny kianja Andohalo Ambohibato ny alahady ho avy izao. Lalao baolina kitra « tournoi open foot à 7 » izay eo ambany fifehezan’ny ben’ny tanànan’Ambohimananmbola sy ny fikambanana FMBM Analamanga. Klioba maro no handray anjara manditra izany.
« Ekipa sy klioba maro no handray anjara mandritra io alahady io araka ny fandaharan-dalao izay nivoaka, izany anefa tsy manakana ireo ekipa mbola vonona handray anjara amin’ny lalao, mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana » hoy ny mpikarakara.
« Tahaka ny mahazatra, rehefa amin’ny loka goavana tahaka izao dia misy hatrany ny fandraisana anjara ho an’ny ekipa mandray anjara amin’ny lalao. Misy ihany koa anefa ny fepetra hifampifehezana mba handavorary ny zavatra atao mba hanatsarana sy hifampitaizana » hoy ireo tompon’andraikitra.
Hilalao amin’ny fo madio aho ho fitaratry ny rahalahiko, io no teny filamatra entin’ireo mpikarakara ity lalao ity. Tafiditra ao anatin’ny lalao ara-panatanjahan-tena tokoa ny famolavolana ara-panabeazana sy ny fahiza-miaina izay anisan’ny ilain’ny tanora raha te ho olon’ny fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
