ActualitésTsidika

Fitaterana an’habakabaka : Hiverina hisokatra tsy hoe la ireo sidina samihafa mampifandray an’i Madagasikara amin’ny any ivelany

Raha ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra ny 30 Martsa teo dia hampitomboina ny sidina mampifandray an’ Antananarivo sy Paris mba hampihena ny saram-piaterana. Hosokafina ihany koa ny sidina mampifandray an’ Antananarivo sy Turquie ; ny sidina mampifandray an’i Toamasina sy La Réunion, La Réunion sy Nosy-Be ; La Réunion sy Antananarivo ary Mahajanga sy Mayotte ary Antananarivo ; Mayotte sy Nosy-Be ary Antsiranana.

Tapaka nandritra izany ihany koa fa  « Test TDR » sisa no atao eny Ivato ho an’ireo vahiny sy Malagasy tonga eto Madagasikara. Ireo « négatif » dia tsy mihiboka 7 andro intsony ary afaka mody avy hatrany ary ireo « positif » kosa dia tsy maintsy mihiboka 7 andro.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire