RN1 : Mangataka ny fijerena akaiky ny lalana ny mponina
Ankoatra ny fahalafosan’ny saran’dalana izay mitaraina amin’ny haratsin’ny lalana ireo olona mampiasa ny RN1 Bis mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano (402 km). Efa taona maro hoy i Jean, mpamily no tsy nisy solontenam-panjakana nitsidika sy nijery io lalana io.
Nanamafy i Bernadette, renim-pianakaviana nihazo an’i Maintirano fa 120 000 ariary be izao ny saran-dalana nalohany ary efa efatra andro izy vao tonga tao an-toerana noho ny haratsin’ny lalana. Nanamafy izy fa mampatahotra ihany koa ny lalana satria ahitana fihotsahana goavana izay mety hampididoza.
Niantso ny tompon’andraikitra izy ireo hijery akaiky izany zava-misy eny an-toerana izany.
Nicole Rafalimananjara
