ActualitésTsidika

Alasora : Isaky ny sabotsy no fianarana ho an’ireo mpanala ny fanadinana bacc

Efa manomboka ny fianarana maimaim-poana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana bakalorea ho an’ity taom-pianarana 2022-2023 ity, izay natolotry ny kaominina Alasora. Isaky ny sabotsy no andro fianarana ho an’ireo mpianatra nisoratra anarana tamin’izany, arak any voalaza.

« Isaorana ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra sy ny mpampianatra ao amin’ny lycée TASC Alasora amin’ny fanatontosana ny cours fanomanana ny fanadinana bakalorea 2023 eto an-toerana. Maro tokoa ireo mpianatra no namaly ny antso ary vonona hanovo fahalalana enti-miatrika izany fanadinam-panjakana izany » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe ho an’ireo mpianatra tokoa ny fanomezana toro-lalana sy fampianarana tahaka izao, ankoatra ireo izay efa hampianarina azy ireo any an-tsekoly. Ireo mpianatra ireo izay mila fanomanana sy fanohanana ara-tsaina, ara-batana ary hantenaina fa hisy vokatra tsara ho an’ny valim-panadinana izao ezaka izao » hoy ireo avy amin’ny mpanabe.

Manodidina ny 360 isa moa ireo mpianatra no tonga manatrika ity fampianarana ity ao an-toerana. Marihina fa natao ho an’ireo sokajy rehetra ity fampianarana ity dia ny sokajy A2-C-D-L-OSE ary ny S.

Manitra R.

Laisser un commentaire