ActualitésTatitra

Etats-Unis : Marika jeans malaza indrindra ny Levi’s

Ny Levi Strauss & Co, na « Levi’s » fotsiny, dia marika akanjo amerikanina mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Lehilahy teratany Allemand iray antsoina hoe Levi Strauss no nanokatra io orinasa io tamin’ny taona 1853. Nankao San Francisco ny tenany ary nanokatra ny toeram-pivarotana iray izay sampan’ny fivarotana ao New York an’ny rahalahiny.

Tany am-piandohana dia orinasa mpambongady sy mpantsinjara lamba sy vokatra « quincaillerie » ny Levi’s. Nandeha tsikelikely ny nahatonga azy ho mpamokatra jeans malaza. Marihina fa isan’ny mpamokatra ireo marika jeans tsara sy malaza indrindra ny Levi’s. Laharana faharoa izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, aorian’ny jeans Salsa.

Laisser un commentaire