Mayotte : Fiara mpitondra mpianatra iray no nisy nanafika
Fiara mpitondra mpianatra iray no niaharan’ny fanafihana tao Mayotte. Ny 16 novambra teo nanodidina ny tamin’ny 1 ora atoandro no niseho ny tranga teo alohan’ny fonjan’i Majicavo. Nitondra antsy sy antsy lava lela ireo mpanafika ary nandratra mpianatra maro tamin’ny antsy lava lela. Mpianatra iray kosa no tena notsatohan’izy ireo ny antsy raha ny tatitrin’ny Indo Kwezi.
Naratra nandritra io fanafihana io ihany koa ny mpamilin’ny fiara izay tao amin’ny CHM niaraka tamin’ireo mpianatra naratra. Manodidina ny 12 taona eo ireo mpianatra nisedra fanafihana ireo, nisy tamin’izy ireo nitsaoka avy tamin’ny varavarakelin’ny fiara.
