Comores : Ny « shikomori », fiteny mamondrona karazana fiteny efatra
Ny « comorien » adika hoe « shimasiwa » dia midika ara-bakiteny hoe « langue des îles » (fitenin’ny nosy) na « shikomori » midika hoe « langue des Comores » (fitenin’i Comores). Misy karazan-teny efatra mivondrona ao amin’io fiteny ao amin’ny vondronosy io : ny grand-comorien, mohélien, anjouanais ary mahorais.
Mifandray amin’ny nosy iray avy amin’ireo nosy lehibe efatra mivondrona ao amin’ny vondronosin’i Comores izany : Ngazidja, Mwali, Ndzuani ary Maore. Tsy misy noho izany ny fiteny « Comorien » iombononana. Manakaikikaiky ny fiteny Swahili (fiteny Bantoue ao Tanzanie) fotsiny ireo efatra ireo ary mety mifankahazo.
Hasina Rasamimanana
