Tchad : Nanala ny taratasy firotsahany ho fidiana filoham-pirenena i Saleh Kebzabo.
Noesorin’i Saleh Kebzabo, mpifaninana amin’ny filoham-pirenena amperin’asa Idriss Déby, ny taratasy firotsahany ho fidiana filoham-pirenena amin’ny 11 aprily ho avy izao. Nolazainy tamin’izany fa mampiasa herisetra amin’ireo mpifaninana aminy i Idriss Déby izay mirotsaka ho fidiana fan-eniny izao amin’ity taona ity. Voalazany fa ny ampitson’ny nametrahany ny antontan-taratasy firotsahany ho fidiana no saika nosamborin’ny manam-pahefana ao Tchad ny tenany. Nanamelohana azy tamin’izay ny famonoana olona roa tao amin’ny toeram-ponenan’ireo olona ireo. Tsy mbola afaka nanamarina io tranga io ny mpanao gazety tany an-toerana. Efa ho 30 taona izao no nitondran’i Idriss Déby an’i Tchad. Efa nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena tao Tchad ihany koa i Saleh Kebzabo ny taona 2001, 2006 ary 2016. Tafiditra tamin’ny laharana faharoa tamin’ny salan’isam-bato 12,8% ny tenany tamin’io taona farany io. Manahy ny mety ho fatahoran’ny filoha Idriss Déby hibatan’i Saleh Kebzabo ny fandresena ireo mpanohana an’Andriamatoa Kebzabo. Antony manokana nanapahan’izy ireo hevitra hanàla tsy misy hatak’andro ny taratasy firotsahan-ko fidian’ny kandidà atolotr’izy ireo. Mbola manjavozavo hatreto izay mety hiseho amin’io datim-pifidianana ao Tchad io.
