ActualitésTatitra

Iran : Lehilahy iray no nohelohina ho faty noho ny fanoherana ny fitondrana

Lehilahy iray antsoina hoe Mohsen Shekari no voarohirohy tamin’ny fanatontosana hetsi-panoherana ny fitondrana ary nohelohina ho faty ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavana dia nandratra « paramilitaire » iray io lehilahy io rehefa nanakana ny fifamoivoizana tao amin’ny lalambe iray tao Téhéran.

Raha ny tatitrin’ny mpampanoa lalàna dia nampangaina ho “fahavalon’Andriamanitra” io lehilahy io. Olona manodidina ny 11 hafa nandray anjara tamin’ny hetsi-panoherana tao Iran ihany koa no mety hosedran’izany sazy fara-tapony izany hoy ny tompon’andraikitra. Raha tsiahivina dia mbola ny raharaha nahafaty an’i Mahsa Amini no anton’io fihetsiketsehanaao Iran io.

Laisser un commentaire