ActualitésTsidika

Razilinah : Mpitendry gitara teny nahay

Mpihira fanta-daza nanao tendry gasy teto Madagasikara teraka tamin’ny taona 1919 ary maty tamin’ny 7 oktobra 1967 teto Antananarivo i Razilinah na Ranaivo Gilbert. Nanao miaramila izy tany amin’ny taona 1945 ary efa niasa tamin’ny Lalamby Malagasy ihany koa. Efa tafaraka tamin’ny mpitolona MDRM ihany koa ny tenany tany amin’ny taona 1947.

Isan’ireo mpitendry mpialoha làlana nitondra ny bagasy an-gitara voalohany i Razilinah. Nisy ihany ny mpitendry gitara teo alohany toa an-dry Naka Rabemanantsoa, Rasamy Gitara sy ry Paul Ratianiarivo multi-instrumentiste tao amin’ny Troupe Jeannette saingy tena niavaka ny fomba fitendriny noho ny fampiasany « Tuning » CGDGBE ka nahafahany namoaka ny feona piano bagasy tamin’ny gitara. Io fomba famelomana gitara CGDGBE io na « Drop C » amin’ny teny teknika ilay antsoin’ny Malagasy hoe « réglage bagasy » na « accord gasy » na «tendry gasy ».

Tsy io réglage io ko no atao hoe bagasy, na izay hira tendrena aminy fa ilay gadona mihitsy. Raha hazavaina tsotsotra ny gadona bagasy dia ilay refin-kira misy paika 12 izay mizara sokajy 3 dia ny (5+7/8), (7+5/8) ary (6+6/8), ka mbola miseho amin’ny endrika 12 ireo rehefa zaraina (Subdivision).

Tany amin’ny taona 30 tany i Razilinah no efa namoron-kira sy nitendry gitara teny ambony tamboha ary azo lazaina fa mbola mpihira « underground » izy tamin’izany. Anisany hira noforoniny ny  » Zanako »,  » Hanin-kavana »,  » Bonjour mme la guitare »,  » Anjanahary »… Nanoratra poesy teatraly ihany koa nefa izy toy ny  » Ankizy nilaozan-tsakaiza »,  » Razay »…

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire