ActualitésTatitra

Portugal : Lasa anarana iombonana ao amin’ny rakibolana ny teny hoe « Pelé »

Efa azo atao ny manoratra ny hoe teny « pelé » miantomboka amin’ny zana-tsoratra. Raha tsiahivina dia anaram-bositr’i Edson Arantes do Nascimento, mpilalao baolina kitra fanta-daza avy ao Brésil izay nodimandry ny 29 desambra teo izy io. Nanomboka ny alarobia teo nefa dia anarana iombonana iray amin’ireo 167 000 isa voarakitra ao amin’ny rakibolana ao Portugal izany.

Efa fampiasa matetika ao Brésil, midika hoe « excellence » ny teny hoe « pelé ». Mbola tsy teny noraiketen’ny akademia ao an-toerana ho teny ofisialy nefa izany. Nanomboka ny andron’ny alarobia teo ihany kosa dia voambolana ofisialy ao Portugal izany izay hita ao amin’ny rakibolana « Michaelis » ary mitovy hevitra amin’ny teny hoe tsy manam-paharoa na miavaka (exceptionnel, incomparable, unique).

Raha ny voafaritra ao amin’ny rakibolana « Michaelis » kosa dia milaza zavatra na olona miavaka amin’ny maro noho ny kalitaony, ny lanjany na ny fahamboniny izay tsy azo ampitahana amin’ny hafa, ohatra nomen’izy ireo indrindra ny fahaizan’i Pelé milalao baolina kitra

Laisser un commentaire