Ankadindratombo : Lehilahy iray no notifirin’ny miaramila mamo
Miaramila miasa ao amin’ny fiadidina ny repoblika, kilasy faharoa no nitifitra lehilahy iray, voalaza fa mpamilin’ny kaominina Alasora, tao amin’ny toerana fisotroana sy fanaovana karaoke, teny Ankadindratombo, ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalaza, nisy ny fifamaliana teo amin’izy roa tonta ireto, izay efa mamo noho ny fisotroana, ka niafara tamin’ny fitifirana izao lehilahy izao. Hatreto mbola manaraka fitsaboana eny hopitaly HJRA ity farany.
“Manala Baraka ny andrimpanjakana ny toa izao. Hita ihany koa hoe tsy fahafehezana ny asa amin’ny maha miaramila azy no nataony, izay tsy mendrika izany asa izany akory raha manampatra fahefana amin’ireo olon-tsotra toa izao” hoy i Gilbert, mponina Ankadindratombo.
“Voasazin’ny lalàna manan-kery ny fampiasana herisetra, indrindra ny fanaparam-pahefana amin’ny olon-tsotra na sivily. Mendrika ny halana amin’ny asany ireo miaramila manao fihetsika toa izao satria tsy mifanaraka tamin’ny fiofanana na ny service nataony” hoy I Dina, mpisehatra amin’ny zon’olombelona.
Nisy ny fanagiazana ny basy poleta izay nampiasain’ity miaramila ity; na dia izany aza anefa, ao anatin’ny adidy sy andraikitry ny mpitandro filaminana ny miaro ny vahoaka sy ny fananany. Mendrika ny sazy enjana ny tahaka izao satria maha be ny asa ratsy sy ny fandikan-dalàna.
Manitra Ramanantsoa
