Maurice : Iza moa i Pravind Kumar Jugnauth ?
Teraka ny 25 desambra 1961 tao Caverne, Vacoas-Phœnix i Pravind Kumar Jugnauth. Lehiben’ny governemantan’i Maurice ny tenany nanomboka ny 23 janoary 2017. Mpitarika ny MSM (Mouvement Socialiste Militant) ihany koa izy.
Minisitry fitantanam-bola tao amin’ny Nosy Maurice i Pravind Kumar Jugnauth ny taona 2003 hatramin’ny 2005 ary voafidy indray ny taona 2009 hatramin’ny 2011 sy ny taona 2016 hatramin’ny volana janoary 2017 izay daty nanendrena azy ho praiminisitra. Ny rainy moa no niandraikitra io toerana io teo alohany.
Mbola niverina voafidy kosa i Pravind Kumar Jugnauth ny taona 2019 ka mitantana ny governemanta ao anatin’ny 5 taona indray.
