Talata Volonondry : Nahatratra 82, 29% ny tahan’ny fahafahana fanadinana BEPC
Nahavelom-bolo ny tahan’ny fahafahana fanadinana BEPC tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Nahatratra 82,29% be izao ny taham-pahafahana.
« Niisa 306 ny mpiadina teto Talata Volonondry ary 251 tamin’ireo no afaka. Ezaka lehibe tokoa ny vitan’ny mpanabe sy ny mpianatra » hoy ny tompon’andraikitry ny ZAP. « Miarahaba ny ankizy afa-panadinana rehetra ny tenako. Mankahery ireo tsy afaka ihany koa. Ho tafita hatramin’ny farany anie ianareo izay handimby anay rahatrizay amin’ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona.
Raha tsy teo tokoa ny mpanabe tsy toy izao ireo ankizy. Ny fanabeazana tokoa no tena fanalahidin’ny fandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
