ActualitésTatitra

Comores : Franc comorien, vola ampiasana ao amin’ny vondronosy

Ny « Franc comorienv (FC) » no vola ampiasain’ny vondronosin’i Comores. Teo amin’ny taham-panakalozana Franc Français (FF) dia 1 FF ny sadan’ny 75 FC.

Araka ny fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny Filankevitr’i Europe tamin’ny 23 Novambra 1998 dia tsy novaina ny fifanarahana nosoniavin’i France sy ny Vondrona Monetaran’Afrique Andrefana, ny firenena mpikambana ao amin’ny Banky Foiben’ny Firenen’i Afrique ary i Comores manoloana ny fiovana Euro.

Nanomboka ny 1 janoary 1999 noho izany ny taham-panakalozana dia nalaina avy amin’ny fitovian’ny FF sy ny euro (1 euro = 6,55957 FF) izany hoe ny 1 euro dia manodidina ny 491,968 FC, miankina ny fiovan’ny sandam-bola. Ny 1 FC kosa dia 8,85 Ariary.

Laisser un commentaire