ActualitésTatitra

Canada : Olona 5 maty noho ny fifampitifirana tao Toronto

Naharay antso ny manam-pahefan’i Toronto ny alin’ny alahady teo fa nisy fifampitifirana tao amin’ny trano lehibe (immeuble) iray tsy lavitry ny tanàn-dehiben’i Toronto. Rehefa tonga tao an-toerana ny polisy dia olona maro efa maty no novantanin’izy ireo.

Olona 5 no maty ary olona iray no naratra hoy ny lehiben’ny polisy tao an-toerana, Jim MacSween. Tao anaty efitra samihafa no nahita ireo niaram-boina ireo raha ny fanazavana. Lavo ihany koa ny voarohirohy nanatontosa io heloka bevava io rehefa nifanandrina tamin’ny manam-pahefana hoy io tompon’andraikitra io.

Tsy fantatra mazava kosa ny anton’io fifampitifirana io saingy efa manadiady ireo manam-pahefana raha misy hifandraisany ilay nahavanon-doza sy ireo niaram-boina.

Laisser un commentaire