Gambie : Fomban-drazana mampiavaka ity firenena ity ny « Festival Kankurang »
Fomba iray fanao hatramin’ny taon-jato maro, any Gambie, ny « festival Kankurang ». Omaly, nisy ny fankalazana izany fomban-drazana izany tano amin’ny tanàn’i Janjanbureh, any atsinanan’i Gambie. Manao saro-tava, afenina ary rakofana ao anaty hodi-kazo ny vatana sy ny ratsam-batana iray manontolo mandritra ity fomba ity, mba hanomezana hasina ireo zava-boaary. Mitondra famaky ihany koa, mandroso moramora arahina dihy ka mampitahotra ireo zaza amam-behivavy no atao amin’izany, no sady miorakoraka sy mikiaka. Ao anatin’izany fomba izany hatrany, no handroahana ireo fanahy ratsy sy hampajakana ny rariny sy hitsiny, mba hanamafisana ny firaisan-kina eo amin’ny fiaraha-monina ao an-toerana. Ny taona 2005, voasoratra ho isan’ny vakoka ara-kolontsaina ao amin’ny UNESCO ity fomba ity. Izay mampita soatoavina sy fomba amam-panao mampiavaka an’ny foko « Mandingues »
