Russie : Vehivavy iray voampanga higadra 27taona an-tranomaizina noho ny famonoana « blogueur pro-Kremlin »
Vehivavy iray antsoina hoe Daria Trepova, 26 taona, no voampanga ho namono mpanoratra blaogy rosianina iray, tamin’ny alalan’ny baomba, ny volana aprily 2023. Ity lehilahy iray novonoiny ity izay mpanoratra an’habaka, mifantoka kokoa amin’ny ady eo amin’ny amin’ny firenena Rosianina sy Ukraine. Araka ny voalaza, nifanome fotoana tamin’io lehilahy io ny tenany, tao amin’nytoerana fisotroana kafe iray, ka tamin’izany no nanomezani’ Daria Trepova ny sarivongana kely nisy baomba azy. Anisan’ny nahenika an’i Russie ny fipoahan’ity tranga ity ary ankoatra ity mpanao blaogy ity dia olona efa telopolo mahery ihany koa no naratra sy nitondra takaitra tamin’izany. Nandritra ny fotoam-pitsarana azy, mbola nanda tsy nitondra ny baomba ny tenany sary nilaza fa nisy namandrika. Voasazy higadra 27 taona an-tranomaizina ity vehivavy ity, izay anisan’ny sazy enjana indrindra navoaka ampahibemaso ho an’ny vehivavy iray hatramin’ny naharavan’ny URSS.
