ActualitésTatitra

Seychelles : Nandray ny vehivavy mpanamory voalohany ny tafika an’habakabaka

Vehivavy 20 monja antsoina hoe Sylvie Tamboo no vehivavy voalohany manatevin-daharana ny tafika an’habakabaka ao Seychelles. Voafidy hitondra « Dornier » iray hanao ny fanaraha-maso ny habaka-dranomasina izy.

Efa mpanamory ny rain’i Sylvie Tamboo ary efa hatramin’ny fahakeliny izy no nakafia io tontolo io. Tsy mora kosa hoy izy izany vehivavy avy Seychelles lasa mpanamory izy ka teo amin’ny faha-17 taonany izy dia nandao ny nosy nakao Grèce niatrika fiofanana. Rehefa niverina avy tany izy niditra tao amin’ny tafika.

Mbola tsotsotra ny tafika an’habakabaka ao Seychelles, 12 isa ny mpanamory, 5 ny fiaramanidina ary 2 ny angidim-by saingy mahaomby raha ny fanazavan’i Sylvie Tamboo.

Laisser un commentaire