Ambohimangakely: Nentina tany Andasibe ireo mpianatra nahazo naoty ambony
Notanterahina tamin’ny herinandro teo ny hetsika fitondrana ireo mpianatra tsara naoty nandritra ny taom-pianarana, 2022-2023, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny tomponandraikitra mpitantana ny kaominina no mitondra ireo mpianatra nandritra izany.
“Tahaka ny fanao isan-taona hoan’ireo ankizy izay mahazo naoty ambony tamin’ny fanadinana ara mpanjakana dia nifampitoana ary nitsidika valan-javaboaary Andasibe niaraka tamin’ny ben’ny tanàna ireo ankizy sy ray aman- dreny mpianatra ary ireo mpanabe sy ny tale -tsekoly ary ny chef ZAP” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Fankandrivotra sy fitsangatsanganana moa no natao nandritra izany ary fiharana niaraka tamin’ireo ankizy. Ankoatra izany, nisy ihany koa ary nisy fizarana mari-pakasitrahana ho azy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny hetsika tahaka izao. Eo ny fialam-boly sy fisitahana amin’ny tontolo misy azy fa ihany koa fahaizana zava-baovao sy fahalalana ny harena voajanahary misy eto Madagasikara, izay mampitombo fahalalana azy ireo.
Manitra R.
