Dokotera mpitsabo biby: 160 ireo nahavita fiofanana
Nisy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny dokotera mpitsbo biby na ny veterinera ny 25 oktobra lasa teo tao amin’ny CCI Ivato. Andiany miisa efatra no nivoka nandritra izany. Ny andiany Fandrefiala, Varika, Railovy ary Mazavaloha.
“Miampy 160 ireo dokotera veterinera amin’izao fotoana. Manodidina ny 384 no isan’ny dokotera veterinera eto Madagasikara hatramin’izao. Ny antsasa-manilan’izy ireo dia nivoaka tao amin’ny sekoly fampihofanana dokotera eo anivon’ny Oniversitean’Antananarivo avokoa. Mbola tsy ampy anefa ny isan’izy ireo raha 600 eo ho eo no filan’i Madagasikara ankehitriny.” hoy Pr RAFATRO.
“Tanjona araka izany ny hampitombo isa ireo dokotera veterinera ireo. Eo koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fahaizana. Efa miroso amin’ny fampanatonana ireo biby hanaovana fampiharana amin’ny fiompiana sy ny fitsaboina eny anivon’ny sekoly ihany koa izy ireo amin’izao fotoana.” Hoy hatrany ny nambarany.
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fomba fiasa mba hitombo ny traikefa hananan’ny mpianatra.
