ActualitésTatitra

Italie : Iza moa i Giorgio Chiellini ?

Teraka ny 14 Aogosotra 1984 tany Pise ilay mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena an’i Italie izay mitana ny toerana vodilaharana ao anaty ekipan’i Italie i Giorgio Chiellini tao anatin’ny Klioban’ny Juventus FC. Antsoina amin’ny anarana hoe Brichiel na Chiello na Re Giorgio ny tenany izay voasokajy tao anatin’ireo mpiandry vodilaharana mendrika indrindra. Nanomboka nilalao baolina izy ny taona 2000 tao amin’ny ekipa AS Livourne teo amin’ny faha 16 taonany. Taona maromaro taty aorian adia nanampy ny ekipa lehibe indrindra tao Italie izy, Juventus Football Club. Fony kely anefa izy dia ny taranja Basket-ball no tiany holalaovina saingy ny baolina kitra no niatombohany fony izy 6 taona ka tao anatin’ny ekipa AS Livourne no nidirany ka izao lasa fata-daza iraisam-pirenena izao no niafarany. Tsy mpilalao ihany akory izy fa nianatra ihany koa rah any 7 avril 2017 no nahazahoany ny Maitrise tamin’ny toe-karena sy ny varotra tao amain’ny Oniversite Turin tamin’ny isa 109/110. Isan’ny mpilalao namiratra ihany koa ny tenany nandritra ny EURO 2020 teo izay nandrombahan’izy ireo ny amboara mihitsy.

Laisser un commentaire