Turquie: Miisa 12 no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny fiara nitondra ireo mpifindra monina ny sabotsy 10 jolay lasa teo tany Van, atsinanan’I Turquie. Nahafatesan’olona tsy latsakin’ny 12 be izao izany loza izany. Tsy ara-dalàna tokoa mantsy no nitaterana ireto olona ireto. 12 no maty ary 26 no naratra nandritra ny loza hoy ny Prefektiora. 11 tamin’ireo maty no mpifindra monina rah any iray kosa no tompon’andraikitra amin’ny fitaterana tsy ara-dalàna ity. Notazomin’ny polisy ny tompon’ny fiara ary nentina tany amin’ny hopitaly kosa ireo naratra. Tsy lavitra loatra an’I Van manko ny sisin-tany manasaraka an’I Iran sy I Turquie.
