ActualitésTsidika

Fanabeazana : Hisy fanovana ny rafi-papianarana eny amin’ny ambaratonga ambany  

   

Araka ny efa naroson’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny rafi-papianarana izay nasiam-panovana dia lany teo anivon’ireo Solombavam-bahoaka izany volavolan-dalàna izany. Solombavam-bahokaa 13 amin’ny 95 no nandany izany fanovana izany satria Solombavambahokaa miisa 20 no tonga nanatrika ny fivoriana. Hiroso miandalana ny isaky ny kamominina amin’ny fampiharana izany volavolan-dalana izany.

“Raha ny efa nampahafantarina dia hitombo taona iray ny ambaratonga voalohany ary hiena taona iray kosa ny ambaratonga faharoa izay 4 taona ziany amin’izao fotoana izao. Ny tanjona amin’izao fanovana izao dia mba hanarenana amin’ny laoniny ny kalitaon’ny fampianarana ary ihany koa mba hampitomboana ny isan’ireo mpianatra miditra an-tsekoly ho tonga amin’ny sehatra avoavo kokoa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

“Anisan’ny fanatsarana ny kalitao ihany koa ny hita ao amin’ity lalàna ity dia ny mahakasika ny teny entina mampianatra izay tena zava-dehibe tokoa satria miankina amin’izany ny fahaizana sy ny mety hahazoan’ny ankizy ny zavatra hampianarina. Nyb teny malaagsy sy français no voasoratra fa tokony hampiasaina saingy mbola mila asa lehibe ihany koa ny hampidirana izany anaty sekoly indrindra ny any ambany vohitra”, hoy hatrany ny fanazavana.

“Laviko ny fanovana toy izao. Raha ho an’ny ankizy izay tsy manana fahefana hianatra mandritra ny 6 taona ve izany satria sahirana ireo Ray aman-dReny dia tsy hanana mari-pahaizana akory ve izany izy dia hiala. Tokony raisina an-tsaina ihany koa ny fahasahiranana izay efa mitombo andro aman’alina mba tsy hiverenana hamoaka lalàna vaovao indray”, hoy i Meva, Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Vohibola.

Marihina fa tsy foana velively ny fahazoana ny mari-pahaizana CEPE fa kosa ao amin’ny taona fahaenina izany vao afaka ho sitrahina. Izany hoe manomboka izao dia maharitra 6 taona izany ny taona tsy maintsy handalovan’ny ankizy Malagasy rehetra manerana an’ny Madagsikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire