Nomena ny Jirama ny fitantanana ny herinaratra ao Katsepy
Nafindra ofisialy tamin’ny orinasa Jirama ny fitantanana tanteraka ny fitsinjarana ny herinaratra any Katsepy. Tonga nanatrika izany famindram-pahefana teo anivon’ny Jirama sy ny orinasa mpitantana izany nanomboka ny taona 2013 ny Tale Jeneralin’ny kaompania nasionalin’ny fitsinjarana rano sy ny herinaratra, Andriamanga Vonjy.
Ity fandraisam-pitantanan’ny Jirama vaovao ity dia nampiarahina tamin’ny fahatongavan’ny « nouveau générateur d’éléctricité » izay manana tanjaka hatramin’ny 80KVA ho an’ny any an-toerana hoy ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jirama. « Efa vina nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany ny faritra izao » hoy ny governoram-paritra Boeny, Andriatomanga Mokthar Salim. Efa vita Sonia ny herinandro lasa teo ity fianarahana ity fa izao vao natolotra tamin’ny fomba ofisialy. « Tsy maintsy atao iza fomba rehetra hisitrahan’ny mponina herinaratra » hoy i Andriamanga Vonjy.
Amin’ny tany mafana any Katsepy dia misy ireo fitaovana hanodinana ny herin’ny masoandro mba hanomezana herinaratra ho an’ny daholobe.
Nicole Rafalimananjara
