Ambohimangakely : Loza mitatao ho an’ny mponina ireo vato be ao amin’ny fokontany Ambohibary Tsarahasina
Loza mitatao ho an’ny mponina, izay monina ao amin’ny fokontany Ambohibary Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely ny fisan’ireo vato be ao an-toerana. Ahiana hitera-doza izany, ka ny alatsinainy teo dia tonga nijery izany tao an-toerana ny avy amin’ny BNGRC (Bureau National des Gestions des Risques et des Catastrophes) sy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina ary ireo sefom-pokontany sy ny vakim-paritra, araka ny voalaza.
“Tsy amin’ny fotoan’ny fahavaratra sy ny rivo-doza ihany no tokony hanatanterahana ny firotsahana an-tsehatra, mijery ny zava-misy, mitatao ho an’ny mponina, monina amin’ny faritra mena tahaka izao. Mila hatao hatrany ny fandinihana hisorohana ny loza samihafa” hoy ny avy amin’ny BNGRC.
“Efa ela mihitsy no tsy nisy fijerena ity toerana ity, tahaka ny adinodino kanefa tena mila fanaraha-maso sy fanentanana hatrany, indrindra fampahafantarana ireo mponina amin’ny alalan’ny fampiasana ny saina milaza loza” hoy i Ranto, mponina ao Ambohimangakely.
Izay tsara fiomanana tsy ho tampohan’ny loza, hoy ny fanentanana ataon’ny BNGRC. Ilaina hatrany ny mitandrina, indrindra fa ho an’ireo olona mipetraka amin’ny faritra mena, izany hoe ahiana hitera-doza ny tontolo manodidina, na manamorona vato be izany, na amin’ny toerana avo, eny fa na ireo manorina trano amoron-drano aza izany.
Manitra R.
