Toeram-pitsaboana: Hisy ny varavarana misokatra eny amin’ireo hopitalim-panjakana rehetra
Efa nanomboka ny 5 aprily teo ity hetsika ity. Samy manana ny teti-andro hanatanterahany izany anefa ireo toeram-pitsaboana ara-panjakana rehetra tsy ankanavaka. Hisy ny varavarana misokatara eny anivon’ny hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Ny tanjona amin’izany dia hahafahana manatsara ny fahazoan’ny mpoina fikarakarana ara-pahasalamana tsra kalitao, eo ihany koa ny fanatsarana ny fandraisana ireo marary.
“Tsy maintsy misy io varavarana misokatara io eny anivon’ny hopitaly rehetra ary hisy mihitsy ny fanaraha-maso izany hahafahana manatratra ny tanjona tsara izay napetraka. Samy manana ny andro hanatanterahana izany fotsiny ireo hopitaly ireo fa azo antoka fa hikarakara izany avokoa izy ireo”, hoy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Fitsirihana ara-pahasalamana maimaim-poana, toro lalana sy toro hevitra ary fanazavana mahakasika ny tolotra ara-pahasalamana samihafa no ho hita mandritra ny varavarana misokatra. Hitovizana avokoa izany ho an’ny Hopitaly rehetra manerana ny Nosy.
“Raha izaho no hanontaniana dia ny fitiliana ireo aretina samihafa sarotra tsaboina sady lafo no tokony hotiliana maimaim-poana mandritra izany hetsika izany. Mety misy ireo tsy vita vetivety sady tsy vitan’ny hopitaly madinika fa azo atao ny mahafantatra ny mety fisiany ka halefa manao fitiliana amin’ny hopitaly lehibe ilay olona arehefa avy eo”, hoy I Henriette, mponina eny Ambohidratrimo.
Mialohan’ny hanatanterahana ny varavarana misokatra dia tokony handalo fampiofanana ireo mpisehatra ao hahafahana mampitovy ny zavatra hatolotra ny mpitsidika. Mbola maro ny lesoka amin’ny lafiny ara-pahasalamana eto Madagasikara izay tokony harenina farany izay haingana. Efa zava-dehibe ny fahatsapan’ny Ministera ny faharatsian’ny fomba fandraisana ny marary ka hanofanana ireo mpitsabo mpanampy hanatanteraka izany asa izany. Tokony hokarohina ireny lesoka ireny ary hiakrohana vahaolana ihany koa.
Miora Raharisolo
