ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nanolotra fanampiana ho an’ny ankizy teny an-tsekoly ny vadin’ny ben’ny tanàna

Nanolotra fanampiana ho an’ireo ankizy teny an-tsekoly ny vadin’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, Faratiana Rajaonah. Ny alarobia teo no tonga teny an-toerana nanatanteraka fizarana izany ny tenany.

“Toy ny fanao isan-taona dia mitondra ny anjara tandrifiny sy manao ezaka amin’ny fanampiana sy manohana ireo Ray aman-dReny tena sahirana amin’ny fampidirana ny mpianatra an-tsekoly ny vadin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina. Aron’ankanjo, « tenue » sy fitaovam-pianarana ary miampy vatsy ho an’ny Ray aman-dReny no atolony amin’izany” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

« Nosinganina manokana ireo ankizy eo ambanin’ny fiahian’ny kaominina eto amin’ny « Ivon-toerana mampianatra mamaky teny sy manoratra ary mikajy » eto Belanitra, ireo afaka fanadinam-panjakana CEPE taona 2023 miisa efatra (04), izay notolorana fitaovam-pianarana ary niantohana ihany koa ny saram-pisoratana anaran’izy ireo ho amin’ny taona faha-enina » hoy hatrany ny fanazavana.

Hafaliana no nadraisan’ireo ankizy izany fanampiana izany teny an-toerana. Ireo ray aman-dreny ihany koa dia velom-pisaorana amin’ny fanohanana sy ny fitsinjovana azy ireo. Mbola hitohy eny amin’ny toerana hafa moa izany hetsika izany, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire