ConseilTsidika

Chili Juice Foods : Mivarotra sakay ranony sy vovony

Eny amin’ny TSFH Andohanimandroseza no ahitana azy. Mivarotra ranon-tsakay sy vovon-tsakay ny Chili Juice Foods. Ara-pahasalamana ny vokatra satria voafantina tsara ny akora ampiasaina. Sakay fotsiny  tsy mitapoka rano no ahodina, izany no mahatonga ny vokatra tsy mora simba.

Ireto ny karazana sakay ampiasainy : pilokely, tsilanindimilahy, voapa ary lalapeno. Afaka misafidy tsara izay mety aminy ny mpanjifa. Maro ny mankafy sakay, sady mety amin’ny fahasalamana ihany koa satria manampy amin’ny fandevonankanina, manafana ny vatana amin’ny fosokafan’ny lalan-drà, mampatsiro ny sakafo.

Ny mapiavaka azy dia misy amin’ny tavohangy kely 10ml sy 50 ml, izay afaka entina mandeha hifampizarana nefa tsy vohatsabatsabaka sy tsy atahorana ho simba. Tena tsara ny vokatra satria miavaka amin’ny sakay rehetra, sady vaovao izay mbola tsy fahita.

Afaka mitsidika ny pejy Chili Juice Foods na koa miantso ny 0 38 70 188 11 na 0 34 51 706 25.

Laisser un commentaire