Alasora: Tonga ny hazavana ao amin’ny fokontany Mahitsy
Tontosa soa aman-tsara tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fametrahana ireo jiro manazava ny lalana, mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tao amin’ny fokontany Mahitsy, kaominina Alasora. Mazava ny tanàna ankehitriny, faly ireo mponina ary velom-pisaorana ny tomponandraikitra amin’izany.
“Izao fametrahana jiro izao no tanteraka, dia noho ny fandraisana anjaran’ny mponina tamin’ny fandoavana hetra. Izany ihany koa no mbola hamporisihana hatrany ireo tsy mbola nahefa mba handoa izany satria amin’ny alalan’ny hetra no ahafahana manao ireo asa fampandrosoana sy mamaly ny filàna eny ifotony” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka ataony ka nanomezany ny fokontany hazavana tahaka izao. hirariana mba hitohy hatrany izany ho fampandrosoana ny ety ifotony. Ary ny mponina ihany koa dia entanina mba samy ho sarotiny ka hikojakoja sy hiaro ireo jiro amin’ny mpangalatra sy tia kely isan-karazany, mangalatra ny fananana iombonana” hoy i Rina, mponina ao Mahitsy Alasora.
Mbola hitohy hatrany moa izany fametrahana jiro eny amin’ny fokontany izany, raha ny voalaza hatrany. Ny fokontany Ankadiaivo sy Mahatsinjo indray no hisitraka izany.
Manitra R.
