Positive Planet : Miasa ho an’ny mpiara-belona
Fikambanana miady amin’ny fanilikilihana (lutte contre l’exclusion) ny Positive Planet. Amin’ny alalan’ny « entrepreneuriat positif » amin’ireo mponina tena marefo no hiasny. Tany am-piandohana dia nantsoina hoe « PlaNet Finance » izy io.
I Jacques Attali sy Arnaud Ventura no nanangana io fikambanana io tany amin’ny taona 1998. Niompana tamin’ny « inclusion financière », izany ary lasa hetsika lehibe manolotra tolotra ara-bola na tsia ho an’ireo olona sahirana ara-bola (à la marge de l’économie). Andraikitra voalohany iantsorohan’ny Positive Planet noho izany ady amin’ny fahantrana, amin’ny alalan’ny fampandrosoana ny « microfinance ».
Taty aoriana dia nanitatra ny traikefany tamin’ny alalan’ny fanatanterahana tetikasa mifantoka amin’ny fandraharahana izy. Misy amin’ny firenena 16 kosa ny Positive Planet, izay mitsinjira eto Afrique, Moyen-Orient ary Europe izany. Isan’izany i Madagasikara.
