Torohevitra : fomba fampiasana ny ovy amin’ny volo
Afaka atao aminy volo ihany koa ny ovy. Manan-karena otrikaina (vitamine B1,B3,C, Amidon) ity legioma iray ity. Ireo singa ao anatiny ireo no mahatonga ny volo ho salama ary manasitrana azy raha tsy salama. Ny otrikaina ao anatiny ihany koa dia manampy amin’ny fanalavana ny volo haingana. Mety aminy karazambolo rehetra izy ity ary azo atao matetika.
Ahoana ny fikarakarana azy? Raha ovy manta no ampiasaina, dia voasana ny ovy, aveo kikisana amin’ny rapy madinika afaka totoina ihany koa. Rehefa vita izay dia afangaro aminy rano iray kaopy, tsihifina ny ranony avy eo. Io ranony io no hosorana aminy hodidoha sy ny volo madio, alona mandritra ny 25 minitra dia kobanina avy eo. Mety ihany koa rah afangaro aminy « Masque » ilay ronona ovy iny.
Raha toa kosa indray ka ovy masaka no ampiasaina. Sasana tsara ilay ovy tsy mbola voavofy iny. Avy eo voasana ny hodiny dia iny hodiny iny no ampagotrahana anaty rano atsasaka litatra. Tatavanina tsara avy eo ary iny ranony iny no atao fandemana volo.
Ny vokatsoa azo avy aminy. Manampy amin’ny fanalavana volo haingana ary mampaniry azy. Manamafy ny volo mba tsy mora hiongotra be ihany .Miaro ny volo tsy ho fotsy aloha loatra.
Sonia Randrianarijaona
