Tsy adino ireo olona mitondra kilema mpankafy mijery fanatanjahan-tena
Efa eo andalam-pamarana ireo fanaovana ny foto-drafitrasa lehibe ao amin’ny kianjan’ny Barea izay efa nandraisana ny lanonana fankalazana ny faha 61 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.
« Efa mifantoka amin’ny asa fanatsara ny ivelany sisa ireo tompon’andraikitra ary afaka hiroso tsy ho ela amin’ny fitokanana ny kianja isika » hoy ny tompon’andraikitra. Efa misy arak’izany ny andro voatondro nomen’ny Filoham-pirenena hitokanana io kianja manaraka ny fenitra iraisam-pirena io, ny 29 ny volana aogositra ho avy izao no ho atao ny lanonana ofisialy hanatanerahina izany.
Tsy nisy natao ankilabao ary nampitovian-jo avokoa ireo vahoaka Malagasy tsy ankanavaka raha vao nanomboka ny tetik’asa fananganana ity kianja ity,tsy hadinon’ny teo amin’ny fitondrana arak’izany ireo olom-pirenena manana fahasembanana liana amin’ny fanatanjahan-tena fa misy ireo toerana voatokana ho azy ireo « miisa 46 izany toerana natokana ho azy izany ary misy toerana 46 isa ihany koa natokana ho an’ireo olona manaraka azy »raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ihany. « Anisan’ireo olom-pirenena mitovy zo ary manana ny hasiny ihany koa ireo olona mitondra kilema, manana ny fialam-boliny tahak’ireo olona rehetra izy ireo koa rariny raha anokanana toerana manokana ho fanjana ny zo maha olom-belona zy ireo ».
« Anisan’ireo mampimenomenona ny fianakavian’ireo manana olona sembana ny tsy mbola fanajana ny zon’ireto olom-pirenena ireto,isany ahitana taratra izany ny eny amin’ny fandehana fiara fitateram-bahoaka » raha ny nambaran’ny tao amin’ny ONG La.Mi.Na, ary « sambany no nisy fitondram-panjakana nijery hakaiky ireo olom-pirenena mana faha sembanana,ary tsy nanadino fa maro amin’izy ireny no tena mpanohana mahafatra-po ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra »raha ny voalazan’ny Martin,isan’ireo olona manana kilema mpakafia baolina kitra. »Sahirana izahay raha hifanosika sy hiditra amin’ny toerana misy hetsika ara-koltoraly hiarahana amin’ny daholo be noho ny toe-batana tsy mitovy no tsy misy toerana natokana sy sahaza anay »hoy ihany ity farany.
Maro ireo mbola tsy mahafantatra fa misy ny lalana mikasika ireo olona mana faha sembanana eto Madagasikara : Lalana laharana faha-97-044 izay nolanian’ireo tao amin’ny antenimeram-pirenena tamin’ny fivoriana nataony ny 19 desambra 1997. Olom-pirenena mizaka ny zo maha Malagasy azy ihany ko izy ireo ka tokony tsy ho tsinotsinoavina na koa atosi-boho-tanana.
Fanja Rakotoarisoa
