Maimaim-poana ny taratasy fikarakarana famindram-pananana
Fotoana sy vola betsaka no lany rehefa hanao taratasy manan-danja eny anivon’ny biraompanjakana. Ny fahaelan’ny fikarakarana azy koa anefa manginy fotsiny. Tojo fahasahiranan mihitsy ny olona araka izany ka manjary lasa mirona any amin’ny fanaovana kolikoly .Ny taratasy famindrampananana izay saika mapitaraina ny vahoaka ankehitriny ny fanatanterahana azy. Lany vola ny ankamaroan’ny olona ka antony tsy mahavita izany taratasy izany. Nanampy trotraka ihany koa ny fisian’ny valan’aretina ka nampikatso tanteraka ny asa aman-draharaha sy ny tontolon’ny fikarakarana taratasy. Ho fitsinjovana izany indrindra no antony nanamorana ny fikarakarana azy ankehitriny. Maimaim-poana avokoa izany ho an’ity taona 2021 ity. Tanjona ny hitsinjovana ny vahoaka amin’ny fanatanterahana ny taratasy tahaka izao. Tsiahivina fa misy ny sazy mety miatra amin’ny mpandova tsy manatanteraka izany. Azon’ny tompom-pananana atao arak’izany ny mikarakara haingana izany satria tsy misy ny sazy ampiarina ho an’ity taona ity.
Fanilo Rarivoarilala
