Manandona : mitohy hatrany ny fikolokoloana ny tontolo iainana
Nitohy hatrany ny fambolena zanaka hazo ho an’ny kaominona Manandona ny herinandro lasa teo, ny alakamisy 18 aogositra moa ny ankizy no tena nentanina tamin’izany ary raha ny tanjona dia hambolena hazo avokoa ireo pépinières miisa dimy ao amin’ny kaominina Manandona.
Marihina fa misy foana ny fambolena zanaka hazo isan-taona. Ny projet pépinières et reforestation et pisciculture moa no mikarakara ity hetsika ity. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra ao amin’izany projet izany fa tsy hitsahatra intsony ny fambolena hazo fa hitohy hatrany aràka izay filàn’ny mponina sy ny toetr’andro. Izay mila zanaka hazo moa dia afaka manantona ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Pépinieres Manandona, Mahasoa, Ambohimirary, Fiherenantsoa ary Ranomainty hoy hatrany ireo tompon’andraikitra. Natao moa izao hetsika izao ho fiarovana ny tontolo iainana ho an’ireo taranaka.
Isaorana indrindra ny Projet pépinières et reforestation et pisciculture nikarakara ity hetsika ity hoy i Malala, mponina eny an-toerana. Hiatsara tokoa anie ny tontolo iainana.
Famenontsoa Rajerison
