Ambohimangakely : Nahazo fampitaovana avy amin’ny INDDL ihany koa
Tonga nanalotra fampitaovana ho an’ny kaominina Ambohimangakely ihany koa ny avy amin’ny ivon-toerana nasionaly momba ny fitsinjram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) ny faran’ny herinandro teo. Tahaka ireo natolotra ny kaominina hafa, dia fitaovana toy ny solosaina, imprimante sy fitaovana maro samy hafa momba ny informatique, entina Thanamorana ny asa atao amin’ny kaominina no natolotra.
« Ireo fitoavana ireo moa dia natolotra ny kaominina mba ho entina hanatsarana sy hanamorana ny fanatanterahana ny asa ao amin’ny biraon’ny kaominina. Eo ihany koa ny fampivoarana ny sora-piankohonana (état-civil) ho an’ny mponina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena ilaina mihitsy ny tahaka izao. Hinoana sy hantenaina araka izany fa hisy ny fivoarana na eo amin’ny fomba fiasa na eo amin’ny kalitaon’ny zavatra atolotry ny kaominina aorian’izao fampitaovana izao. Mba tsy ho ela intsony ny fikarakarana taratasy rehefa tonga ao amin’ny birao » hoy i Hasina, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny manosika mankany amin’ny fampandrosoana ny fampitaovana ny kaominina tahaka izao. Zava-dehibe araka izany ny fampiasana ireny fitaovana ireo araka ny tokony ho izy ary tokony ho kajiana mba haharitra.
