ActualitésTatitra

Maroc : Inona no nahazo an’i Rayan ?

Niparitaka tamin’ny haino aman-jery, tamba-jotra sosialy ary teny ambavan-daholo be nanerana izao tontolo izao ny anaran’i Rayan nandritra ny andro maromaro.Zazalahy kely 5 taona nonina tao Maroc i Rayan. Latsaka tsy nahy tao anaty lavadrano 32 metatra alalina sy savaivo 45 sanimetatra namboarain’ny rainy tao Ighrane tao avaratr’i Maroc nanomboka ny talata 1 febroary teo ny tenany. Naharitra 5 andro ny famonjena azy ary nanetsehana tompon’andraikitra maro.Mihamehena ny diametatr’io lavadrano io any amin’ny lalina ka afaka nidina nivantana tao anaty lavatra ireo mpamonjy azy. Nokasaina nohitarina ny lavaka saingy mety niteraka fiotsahana izany ka « pelleteuse » maro no nohezahina namonjena an’i Rayan. Tsy nandry andro aman’alina izy ireo namonenja an’io zazalahy kely io ireo tompon’andraikitra ireo, naneho ny fakan-tsary nampidinina tao amin’ny lavadrano ny andro voalohan’ny loza fa mbola velona i Rayan saingy reraka sy naratra. Nandefasana « tube d’oxygène » sy rano saingy vata-mangatsikany sisa no tafavoaka ny lavadrano ny sabotsy tamin’ny 10 ora alina tao an-toerana.Mbola naneho fiaraha-miory tamin’io loza io kosa nandritra ny fandevenana an’i Rayan kosa i Maroc ny alatsinainy teo. Mbola ao anaty fisaonana tanteraka ny firenena.

Laisser un commentaire