OMDA : Mitaky ny hametrahana ny fenitra ireo mpanakanto
08 Febroary, 10h57. Nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny Alarobia 02 febroary 2022 ny amin’ny nanesorana azy tsy ho Tale an’ny OMDA intsony i RANJARIVO Haja. Efa talen’ny OMDA nandritra ny 20 taona ny tenany ka niteraka fifandirana teo amin’ireo mpanakanto sy ny tompon’andraikitra ny fanesorana azy. Nitarika fifamaliana teo amin’i Rossy mpanakanto sy ny vadin’ny Ministry ny Serasera mihitsy izany. Nitaky tamin’ny OMDA sy ny ministera hametraka ireo fenitra teknika iraisam-pirenena mba hisitrahan’ny mpanakanto malagasy rehetra ny zony kosa ireo mpanakanto. Nanao fitakiana izy ireo ary niantso reo mpikambana ao amin’ny OMDA rehetra hanoana izany. Ny alakamisy 10 febroary izao ao amin’ny Solimotel no fotoana nifanomezan’izy ireo.
