Ambatondrazaka : Norobain’ireo tsy mataho-tody ny trano fianarana EPP Ambodimanga
Dépêche 29 septembre, 12h, Raha ny fijery azy aloha dia toa sangy ratsy ihany izao nataon’ireto jiolahy ireto izao satria dia kahie ny mpianatra sy antontan-taratasin’ny mpianatra no nalain’izy ireo nandritra izany fangalarana nataony izany. Asa moa hoe tena misy hilaivan’izy ireo azy ihany tokoa ve ireny taratasy ireny sa sompatra fotsiny. Marihina fa misy mpiambina ity sekoly ity saingy avy any amin’ny rindrina ambadikin’ny trano ireo olon-dratsy no niditra ka nanamora ny asany.
