Vohipeno : Tovovavy kely vao 8 taona naholan’ny mpampianatra azy
Mpampianatra tokony hanabe, sady tokony ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina no mahavita zavatra toy izao ity tovovavy kely ity, izay tsy iza fa mpianany ihany.
Toy izao no fisehon’ity zavatra nianjady tamin’ity tovovavy kely ity : nanentana ireo mpianatra ity mampianatra fa hanamboatra « carnet » izy ireo ka samy mandoa 500ar avy, 1 000ariary no nentin’ity tovovavy ka any antranon’ity mampianatra no homeny ny fameriny fa any no misy. Rehefa nandeha anefa dia nivily ny lalan’ingahy mpampianatra ka tamin’izany no nanaovany ny teti-dratsiny. Rehefa nozahana ny momba ity zazavavy kely ity dia hita fa simba tanteraka. Afaka moramora kosa ity mpampianatra rehefa nandoa vola 1 hetsy sy omby iray tamin’ny renin’ity zaza.
« Manameloka tanteraka izao zava-mitranga izao izahay avy eto amin’ny Cisco fa tsy mendrika ny ho antsoina ho mpampianatra intsony ny olombelona mahavita toe-javatra tahaka izao, horaisinay ny fapahan-kevitra », hoy ny avy ao amin’ny Cisco Vohipeno. « Rariny ihany raha mahazo vahana ny mpanolana. Omby ray sy vola ray hetsy ve no takalony. Ny fanolanana tompoko dia mahavoasazy ary tsy misy arrangement io fa mpiray tsikombakomba daholo ny ivelan’izay. Eny fa na ny fianakaviana manaiky izany aza », hoy i Solofo mponina any Vohipeno. “Miaro ny zaza sy ny ankizy amin’ny fanolanana aza no tokony ho ataon’ireny mampianatra ireny ka izy indray ity no manao azy, toherinay sy tsy ekenay tanteraka izao zava-mitranga izao ka mangataka ny tompon’andraikitra amin’ny fepetra raisina manoloana izany », hoy ny fiarahamonim-pirenena.
Masina ny sehatra fanabeazana sy fampianarana ka tsy tokony hampidirana olona tsy misy fanahy toy ny mpanolana. Manan-danja eo amin’ny fivoaran’ny firenena ny fampianarana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra tahaka izao.
Miora Raharisolo
