France : Hihena ny vidin’entana manomboka ny volana jolay
Vokatra an-jatony no nampanantenain’ny minisitry ny toe-karena ao France, Bruno Le Maire fa ahitana fihenam-bidy manomboka ny volana jolay izao. Taorian’ny fivoriana niarahany tamin’ireo orinasa lehibe misahana ny mpamokatra sakafo (agroalimentaire) tao Bercy ny herinandro lasa teo ny tenany no nanao izany fanambarana izany.
Ho arahin’ny tompon’andraikitra maso akaiky ny fanajana ny vidin’entana vaovao hoy i Bruno Le Maire ary hisy ny sazy omena ireo izay mandika izany raha ny fanamafisany. Vokatra toy ny paty, akoho amam-borona, menaka sns kosa ireo hisy fihenanm-bidy ary nanamafy ny praiminisitra fa efa vonona ny hifampiraharahana ara-barotra ihany koa ny Coca-Cola, L’Oréal, Mondelez ary Nestlé amin’ny fampidinana ny vidin’entany any amin’ny toeram-pivarotana lehibe.
