Ankadikely Ilafy: Manomboka ny fanampiana ireo mpianatra hanala ny CEPE
Notoloran’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy fanomezana ireo mpianatra hanala ny fanadinana CEPE ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Mpianatra manodidina ny 700 isa no hisitraka izany araka ny voalaza.
« Toa ny fanaon’ny ben’ny tanàna mahazatra dia natomboka ny fizarana fizarana ny kits examen ho an’ny mpianatry ny EPP hanala ny fanadinana CEPE ny 20 jona izao » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny moa no tena tanjon’ny kaominina amin’ny fizarana fanomezana izao. Hitohy hatrany ny fizarana izany eny amin’ireo EPP ato anatin’ny kaominina » hoy hatrany ny fanazavana.
Fitaovam-panoratana toa ny penina, penina hazo, ny fitsipika sy ny kahie moa no nomena ireo mpianatra tao anatin’izany. Ny EPP Ankadikely, Andafiavaratra, Andrononobe, Antanetibe, Masinandriana, Ilafy,Manjaka, Andranovelona, Antsahamarofoza ary Antsapandrano moa no efa nisitraka izany tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Manitra R.
