Talata Volonondry : Misokatra ho an’ny mpizahatany ny « Tsidika Talata Volonondry »
Nisokatra ho an’ny mpizahatany nanomboka ny zoma teo ny kaominina Talata Volonondry. Notokanana tamin’io andro io ny « Tsidika Talata Volonondry » ao Avaratsena, izay toerana misokatra ho an’ny mpizaha tany avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hita ao anatin’izany ny haikanto ho an’ny fahandroana ny koba, izay isan’ny tena mampiavaka io kaominina eto Avaradrano io. Eo ihany koa ny fanehoana ny fanamboarana lamba landy sy sarety ary ny fahafahana mankafy ireo nahandro malagasy.
Isan’ny angady nananana sy vy nahitana tamin’izany i Fanantenana Miandrarivo, na « Nanah » izay avy ao amin’ny kaominina ary miara miasa aminy ao anatin’izany i Rubben Omphreet Phoolchundun, avy ao Maurice, izay tafalatsaka amin’ny hakanton’io kaominina manan-karena kolontsaina sy materialy io. Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny « Tsidika Talata Volonondry » kosa ny Ben’ny tanàna, Randrianirina Hobiherisaona, ny filoha lefitry ny fokontany Avaratsena, Randriamalala Julien, ny PCA an’ny TOP Madagascar, Angelo Rakotonirina ary ireo solontenan’ny ORTANA, Lalaina Rajoelimanana sy Andriamaromiadana.
Fifandrifin-javatra ve ny fitovian’ny anaran’io toerana vaovao misokatra ao amin’ny kaominina Talata Volonondry io sy ny gazetintsika ?
