Antsiranana : Nomena fiofanana ireo Polisy ao Ambanja sy Ambilobe
Nisy ny fiofanana nomena ireo Polisy any amin’ny faritra Ambanja sy Ambilobe. Fiofanana mahakasika ny fomba fakana am-bavany mandritra ny fanadihadihana no nomena azy ireo.
« Nomena fiofanana ireo Polisy ao Ambanja sy Ambilobe mba ho fanatsarana ny asan’ny Polisim-pirenena eto amin’ny faritra Diana » hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Diana. « Zava-dehibe loatra ny fahafehezana ny asa indrindra ho an’ny asa mifandray mivantana amin’ny vahoaka toy ny an’ny Polisim-pirenena. Matetika teny kely tsy tandrina no hanimba zavatra maro rehefa manao fanadihadihana sy fakana am-bavany » hoy i Jean, manam-pahaizana mikasika ny politika ao amin’ny faritra Diana. Teratany vahiny miisa roa no nanome fiofanana an’ireo Polisy tamin’izany.
Antenaina mba hiroborobo hatrany ny asan’ny fitandroan’ny filaminana mba hiainan’ny vahoaka am-pilaminana tokoa.
Nicole Rafalimananjara
