ActualitésSocialTsidika

Ankadimbahoaka: Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona

Nisehoanan lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny alalana hivoaka ny Ankadimbahoaka, ny harivan’ny alahady teo. Araka ny voalaza, fiara mpitatitra olona, zotra F mampitohy an’Alasora sy F avy any Atsinanana no nifandona ka nahafaty mpitondra moto iray.

“Taxi be iray no tapaka hisatra teo akaikin’ny Alhambra, miala alavidavitra kely ny toeram-piantsonana eo amin’ny fasika. Tsy hay na noho ny fandehanana mafy na fifampisongonana teo amin’ny fiara sy ny moto fa mafy ny dona niseho” hoy ireo teny amin’ny manodidina.

“Anisan’ny lalana matetika hisehoana lozam-pifamoivoizana ity lalana ity. Tokony samy mailo sy mitandrina hatrany na ireo mpandeha an-tongotra na ny mpitondra fiara, indrindra ny mpitondra moto. Tsy tokony handeha mafy ihany koa ao antin’izany fa manaja ny hafainganam-pandeha ho fisorohana ny ain’ny tena sy ny hafa” hoy i Hasina, mpamily.

Maro ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato. Mampametra-panontaniana ny maro ny mety ho anton’izany. Noho ny tsy fitandremana ve?  Sa noho ny tsy fisian’ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ara-tekinika ireo fiara mpifamezivezy eto amintsika, hany ka lasa mamono olona ireo fitaovam-pitaterana.

Manitra R.

Laisser un commentaire