Ny hazavana, endriky ny fandrosoana.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandriana ny fahalemana ny hazavana. Ny tsy fisian’izany amin’ny toerana iray no mampirongatra ny asa ratsy rehetra. Ao anatin’ny vinan’ny fitondrampanjakana ny hanomezana herin’aratra ho an’ny rehetra. Tonga ao amin’ny kaominina miisa 120 ao amin’ny faritra Sofia ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro na « lampadaire solaire ». 120 W no tanjak’izany fitaovana izany ary nahazo 5 avy ny kaominina tsirairay, entina hanazavana ny arabe mamakivaky ny renivohitry ny kaominina. Tsy vitan’izay ihany fa misy jiro « hazavana ho anao » ihany koa ny lapan’ny tanàna tsirairay. Tokony hisy ihany koa anefa ny fanaraha-maso ireny fitaovana ireny satria matetika ny fitaovana entina hiadiana ny tsy fandriam-pahalemana ihany no angalarin’ny sasany.
Nicole Rafalimananjara
