SocialTsidika

Ny anjara asan’ny lalana eo amin’ny fampandrosoana.

Ny lalana no tena mitondra fampandrosoana noho izy mampifandray ny olombelona manerana ny nosy. Avy amintsika vahoaka samy vahoaka ihany manko no miteraka ny fandrosoana ary isika no mila tapa-kevitra ny handroso aloha vao mandroso ho azy ny firenena. Mitaraina anefa ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny faharatsian’ny lalana misy eto amintsika. Marina fa efa miezaka araka izay azo atao ny fanjakana kanefa misy ny tena efa tsy azo anoharana intsony. Ny any amin’iny lalam-pirenena faha enina iny ohatra izao izay tapaka mihitsy aza. Lalana izay mampitohy an’Antsohihy sy Antsiranana eo Ambilobe sy Ambanja ity lalana mampikaikikaiky ny olona ity. Manana anjara toerana lehibe amin’ny toe-karenan’ny faritra DIANA sy SAVA ity lalana ity kanefa izao tsy afaka mitatitra ara-dalàna ny vokatra misy any aminy izao ny mponina. Efa anaty tetik’asan’ny governora anefa ny fanamboarana izany lalana izany raha ny tatitra voaray. Hita fa mbola sakana amin’ny fampandrosoana eto amintsika ny faharatsian’ny lalana manerana ny faritra eto Madagasikara. Ny fanamboaran-dalana no vahaolana voalohany amin’izany izay tokony tsy hampiraikiraiky ny fitondram-panjakana mihitsy. Madagasikara mandroso no tanjona ka aoka izay ihany aloha no tena himasoana ka tsy hijery ny tombotsoan’ny tena manokana eo amin’ny fahefana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire