SocialTsidika

Hiakatra avo roa eny ny isan’ny mponina afaka 23 taona.

Anisan’ny firenena ahitana tahan’olona maro amin’ny fananana anaka i Madagasikara. Ny fanisana farany natao ny taona lasa teo no nahitana fa niakatra izany taha izany tato anatin’ny taona nifandimby. Araka io fandadihadihana io, betsaka amin’ny ankohonanana Malagasy no manana zanaka mihoatra ny telo.  Miteraka fahantrana ho an’ny firenena anefa ny io fitomboana io. Raha ny hita mantsy, tanora sy ankizy avokoa ny ankabeazan’ny mponina eto amitsika. Ny tahan’ny tsy fananan’asa ihany koa izay hita ho miakatra ankehitriny, betsaka ny tanora no mitady izany. Manampy izany ny tsy fahafahan’ny ankizy miditra any an-tsekoly noho ny tsy fananana vola sy ny fahasahiranan’ny Ray amandReny eo amin’ny famelomana. Ny toeram-pampianarampanjakana ihany koa etsy ankilany sahirana satria efa betsaka ny ankizy miditra eny ka efa feno. Vokatr’izany, tafiditra ao anatin’ny fahantrana ny firenena. Tsy mahagaga intsony ny mahita olona matory eny an-dalambe rehetra eny satria tsy manana fidiram-bola intsony. Tsy mbola misy ihany koa ny politikampanjakana mahakasika ny fandraisana antanana ireo olona mpatory andalambe Ny fanjakana koa etsy ankilany tsy mametra ny zaza ateraka. Manampy izany ihany koa ny kolotsain’ny Malagasy efa mipetraka hatramin’ny ela. Mitana ny laharana voalohany amin’ny tahan’ny fananaka ambony indrindra ny faritra Androy. Manoloana izany ilaina ny fametrahana drafitra mati-paika mba hampandroso an’i Madagasikara.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire