Iza no tokony handrato fahaizana eny amin’ny anjerimanontolo ?
Fanirian’ny tanora maro vao afaka fanadinana Bakalôrea ny hanovo fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Misy fetrany ihany anefa ny isan’ireo mpianatra raisina isan-taona. Natao ho an’ireo izay tsara naoty nandritra ny bakalôrea sy ireo afaka mandritra ny fifaninana ihany ny fiofanana eny. Notontosaina ny 02 Martsa ny fifaninanana hidirana ho taona voalohany ao amin’ny fakioletn’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siantsa Maha olona. Tanora maro no nandray anjara tamin’izany ary manodidina ny 4 600 izy ireo. Adina an-tsoratra no hisehoan’ny laza adina. Ka toy izao ny fanandaharam-potoana nandritra izany ; tapany maraina ny laza adina hikambanan’ny mpiadina ao amin’ny Fakiolte rehetra fa ny tapany hariva kosa no samy hafa manaraka ny zana-tsehatra tiany hidirana avy. Nanome toky ny avy ao amin’ny mpitantana ny Oniversite fa hampitomboina ny mpianatra raisina amin’ity taona ity. Tsy nisy ny fanovana ny fotodrafitr’asa kanefa ny tsy fahampian’izay no voalaza fa hamerana ny isan’ny mpianatra. Na dia efa miroboka amin’ny tontolon’ny fampianarana fampitain-davitra aza ny Oniversite eto Antananarivo. Tsikaritra fa sakana lehibe ny tsy fahafahan’ny mpianatra rehetra miditra amin’ny tontolon’ny aterineto. Hanao ahoana tokoa ny hoavin’ireo mpianatra vao afaka Bakalôrea kanefa tsy tafiditra eny Ankatso ? Vitsy anefa ny afaka mampianatra ny zanany eny amin’ny Oniversite tsy miankina, eo ihany koa ny kalitaon’ny mari-pahaizana.
Nicole Rafalimananjara
