Ambohimalaza: Mila fijerena sy fanaraha-maso ireo fatson-drano manaparitaka rano
Anisan’ny miteraka fahasimban’ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohidrakitra, kaominina Ambohimalaza ny tsy famerenana amin’ny laonina taorian’ny fanamboarana na fametahana fantson-drano vaovao (canal tuyau) tao an-toerana. Mila jerena sy fanaraha-maso ny vokatr’izany ao an-toerana, amin’izao fotoana, raha ny voalaza.
“Tokony efa tafiditra ao anatin’ny asan’ireo teknisianina nanatanteraka ny nanao ny fitsirihana ny asa rehefa vita ny fametrahana ireo tuyau, kanefa raha izay zavatra hita izao aloha dia mety tsy nisy ny fanaraha-maso ka hanairana ny tomponandraikitra isan’isany” hoy I Vero, mponina ao Ambohimalaza.
“Tena mampijaly, indrindra fa ireo mpianatra madinika, ny mpandalo mpampiasa ny lalana isan’andro, izay sady mamotaka no ratsy. Ankoatra ny efa fotoanan’ny fahavaratra izao dia mbola manampy trotraka ihany koa izao tsy famitana asa amin’ny laoniny izao” hoy I Charlie, mpiasa an-drenivohitra.
Mangataka ny hijerena ifotony ny zava-misy ny tomponandraikitra voakasika araka izany ireo mponina ao an-toerana; indrindra ny fandraisana fepetra na fanamboarana izao lalana izao.
Manitra R.
